dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena : Nifamono tamin’ny antsy ny mpamily fiara sy bisikileta

Lalam-pirenena : Nifamono tamin’ny antsy ny mpamily fiara sy bisikileta

Nivoaka ny mpamily fiara ary namoaka antsy. Tsy nanaiky koa ny mpanamory bisikileta fa naka izay vato akaiky azy. Raikitra ny sakoroka ary dia samy nisy faharatràna. Teny amin’ny lalam-pirenena mihazo an’i Faradofay no nitranga ny lozam-pifamoivoizana izay tokony azo nalamina satria materialy no simba. Tsy niteraka ratra na famoizana aina. Saingy samy nentim-po ny roa tonta. Voatery nampiantso zandary raha tsy izany dia mety ho nisy voa mafy tanteraka. Ireo mpitandro ny filaminana no nanasaraka ary nitondra ny naratra teny amin’ny hopitaly. Samy notazomina izy roa lahy avy eo ary nanokafana fanadihadiana. Tao anatin’izany koa anefa dia nisy fianakaviana tonga tao amin’ny biraon’ny zandary ary nikasa ny hikasi-tànana ny olona notazomina. Teo koa dia voatery nafindra birao hafa ny iray mba hitandroana ny filaminam-bahoaka. Mpamily miasa amin’ny tetik’asa lehibe momba ny famatsiana sakafo ilay nitondra fiara raha araka ny fantatra. Olon-tsotra kosa ilay mpandeha bisikileta. Tranga toa izao dia manaporofo fa tsy mety mihavana mihitsy ny fiara sy ny kodiaran-droa raha momba ny fampiasàna làlana. Eto an-drenivohitra dia tsy an-kijanona isan’andro ny fifampihantsiana eo amin’ny roa tonta ary indraindray tonga amin’ny fifampikasihan-tànana aza. Eny amin’ny lalam-pirenena koa izany, araka ity tranga teny Ranopiso ity, dia mbola misy hatrany izany fifandrafiana izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici