- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Lalana mana-tompo » Ambatomaro : Nofefenin’ny tompony maraina, nobanahan’ny fanjakana ny hariva

« Lalana mana-tompo » Ambatomaro : Nofefenin’ny tompony maraina, nobanahan’ny fanjakana ny hariva

Faninefany izay ! Ary toy ny mahazatra hatrany, misy ny mpamefy dia misy ihany koa ny mpandrava. Ny voalohany, renim-pianakaviana iray tompon’ny tany fantatra amin’ny anarana hoe « Lova XII » eny Ambatomaro, niezaka hatrany efa ho an-taonany vitsivitsy izay ny hamefy ny taniny. Ny tany izay hananany porofo ny maha-tompony azy ary nanangony didim-pitsaràna isan-karazany, manamafy izany. Ny olana anefa, misy lalana mandalo eo amin’io ampahantany io. « Lalam-bahoaka efa ho am-polony taonany maro » hoy ny olona sasany. « Lalana voatakana na « chemin privé » kosa, hoy izy tompony ary azony hakatona rehefa ilainy ny tany ». Omaly, tapa-kevitry ny hanakatona faninefany indray izany lalana izany Rtoa Mino Perpetue. Nampiantso mpanao gazety ny tenany ary mialohan’ny hanakatonany ilay « lalana manan-tompo » dia « niantso ny Fitondrana izy mba hijery akaiky ny zava-nisy, satria ny lalàna efa manome rariny azy. Misy andian’olona tarihina solom-bavambahoaka manao bodongerona manakana izany foana ». Ny maraina tokony ho tamin’ny mitataovononana tany ho any, nasiany vatobe miisa telo, nanakana teo amin’ny lalana. Nitohy tamin’ny fananganana hazo mamefy ilay tany, ary tsy nahafahan’ny fiara sy ny môtô intsony nandeha, ankoatry ny olona. Polisy maromaro misaro-tava avy eo anivon’ny UIR no hita teny an-toerana miambina sa miaro izany fananganana izany. Ny avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahatelo kosa misakana ireo olona, tsy hiditra ao anatiny faritra. Tsy niandry ela izany toe-javatra izany. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any, nirimorimo nihazo an’Ambatomaro ny fiaran’ny kaomininan’Antananarivo, feno pôlisy monisipaly. Tonga teny an-toerana toy ny mahazatra ihany koa ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina, ny Sefo Distrika ary ny Delegén’ny boriboritany fahadimy. Ary efa faninefany izay no nilazàn’Atoa Depiote fa iraka avy any amin’ny Filoham-pirenena hijery ny zava-nisy teny an-toerana izy. Naverina nolazaina indray fa tsy ara-dalàna ny toe-javatra tahak’izao ary tsy azo ekena fa tsy maintsy ravàna. Ary dia niroso tamin’ny fandravàna ireo fefy hazo tokoa ireo olona efa nivonona tamin’izany. Nangalàna fitaovana manokana ihany koa ireo vatobe nanakana ny lalana ora vitsy talohan’io ary « nodidiana » sy nopotehina. Tazana teny an-toerana ihany koa moa taorian’izay ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenana. Efa nandeha ny feo fa hoe hosamborina amin’izany Rtoa Mino … Andrasana ny tohiny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici