- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLàlana Tsarasaotra : Fiara Golf nahafaty mpianatra karohina

Làlana Tsarasaotra : Fiara Golf nahafaty mpianatra karohina

Nandona olona dia nitsoaka. Fiara mitondra ny marika Golf ary miloko mena no hitan’ny olona ho tompon’antoka tamin’izany lozam-pifamoivoizana izany. Zaza roa, mpirahalahy, no nofaohin’ilay saofera. Namoy ny ainy ilay zokiny antsoina hoe Nathan, sivy taona fa mbola tsaboina kosa i Rudy zandriny, fito taona, noho ny fahatapahan’ny tongony. Vonton’alahelo tanteraka ny fianakavian’ny zaza noho ny zava-misy. Nanome hatramin’ny omaly ny rain’izy mirahalahy ny mba hanoloran’ilay tompon’antoka vatana satria tsy maintsy ho hita na hiafina aiza na hitsoaka aiza. « Aza mieritreritra akory fa ho voavidin’ny volanao ny ain-janako, ny fanajàna ny rà no tena angatahiko aminao », hoy hatrany ny rain-jaza. « Zakan’ny sainao ve raha ny zanakao no voadona’ny fiara ary navela toy ny fatim-biby eo an-dàlana eo? », raha ny fitarainany ihany. Ankehitriny dia karohina ny nahavanon-doza ary ilaina betsaka ny fahaiza-manaon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fahitàna an’izany. Tsy tokony ho sarotra izany raha hadihadiana ny olona amin’iny sisin-dàlana iny mba hitantara izay tsikariny. Manaraka izay, karohina ny mety ho rakitsary rehetra avy amin’ny vidéosurveillance amin’izay mety ho làlan’ilay fiara nanomboka teo amin’ny ora nitrangan’ny loza ka nandritra iny andro iny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici