Lozam-pifamoivoizana, fitohanana ary fahasimbàn’ny fiara lavareny. Izay no ateraky ny fahasimbàn’ny lalana eto an-drenivohitra izay tena tsy mendrika ny maha-renivohitra intsony an’Antananarivo. Feno lavaka izay aleha ary na ireo izay vao vita tsy ela akory aza dia efa potika indray. Hatreto dia tsy hita mivaingana ilay hoe hanararaotra ny fihibohana mba hanamboarandàlana. Betsaka ny fiara izay latsaka ao anaty lavaka ary taraiky ao. Misy koa ny mpitaingina moto no miala lavaka ary voahitsiky ny fiara ka maty. Loza manambana ity fahapotehan’ny làlana ity kanefa jerem-potsiny hatreto.
nangonin’i D.R