- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilÀ lireManakara : Lamasinina nivadika nandratra olona telo

Manakara : Lamasinina nivadika nandratra olona telo

Ilay lamasinina niala ny lalamby ary nivadika

Loza indray no niseho tamin’iny lalam-by ao amin’ny zotra FCE (Fianarantsoa- Côte Est) iny omaly. Lamasinina iray, mpitondra mpandeha sy entana no nivadika teo amin’ny tananan’Antanakidy ao amin’ny fokontanin’i Voromailala, kaominina Ambahatrazo. Vokany, telo tamin’ireo mpandeha tao anatin’ny « wagon » iray nentin’ity lamasinina ity  no naratra. Lehilahy roa sy vehivavy iray, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana ireto naratra izay.

Tsara marihana fa anisan’ny fitaterana hiankinanan’ny fiainan’ny mponina any amin’iny faritra iny ity zotran-damasinina iray ity, noho fisian’ireo tanana sasantsany tsy afaky ny fiara na tsy misy lalana ho an’ny fiara mihitsy. Maro amin’ireo mponina araka izany no mindrana ity fitaterana ity,  hamoahana ny vokatra sy hivezivezena. Raha ity fiaran-dalamby niharan-doza ity dia mampitohy an’i Manakara sy Fianarantsoa ary handeha hihazo ny renivohitr’i Betsileo mihitsy izy no izao nivadika izao. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava izay tena anton’ny nahatonga ny fialan’ilay lohamasinina, izay nitarika ireo « wagon » niala ny lalamby ary nitarika azy ho amin’ny fivadihany izao. Maro no milaza fa mety ho vokatry ny fahanteran’ny foto-drafitrasan-dalamby any an-toerana no anton’ity loza ity. Vantany vao nitranga moa ny loza dia efa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nampian’ireo fokonolona, niezaka namonjy ireo tra-doza. Soa ihany, hoy ny vaovao azo fa tsy nisy ny aina nafoy ary ireo olona naratra dia tsy dia voa mafy firy akory. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Ireo mpitandro filaminana misahana manokana ny fiaran-dalamby no misahana ny famotorana sy ny fanadihadiana mahakasika ity tranga  tany an-toerana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. Ny lamasinina no vaovao, kanefa ny lalamby dia tsy nisy fikojakojana hatr’izay. Ireo mpiasa anie dia tokony ahafantatra an’izany e. Ny lalamby dia tokony ho soloina matetika satria miha malamabizy ireny rehefa ela ny ela, ny ballast ary koa ireo hazo na vy izay hipetrahan’ny lalamby koa torak’izany satria lasa tsy mahazo niveau ny lalamby, ka raha mandalo ny train dia hivadika. Toy ny lalàna goudron ihany ny lalamby, mila fikojakojana.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici