- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversLanonana tetsy Mahamasina : Mpanendaka dimy voasambotry ny pôlisy

Lanonana tetsy Mahamasina : Mpanendaka dimy voasambotry ny pôlisy

Rehefa vory moa ny vahoaka, tsy miala lavitra eny ihany koa ireo tontakely sy olon-dratsy. Niasa mafy tokoa ireo mpitandro filaminana ny alahady alina teo, nandritry ny lanonana fitsenanan’ny Barea. Fety izay notohizana, tetsy Mahamasina. Tao anatin’izany no nahatratrahan’izy ireo mpanendaka miisa dimy, tra-tehaka am-body omby teo am-panaovana ny asa ratsiny. « Ny olona variana mifaly miaraka amin’ny Barea, hoy ny fanazavana nentin’ny polisy, ny olon-dratsy kosa manao ny asa ratsiny, misaka ny paosin’ireo mpijery ». Soa ihany araka izany, fa nitazana sy nitily ary niambina teny foana ireo pôlisy. Nanara-maso izay mety ho fihetsiky ny tsirairay tao anaty vahoaka tao. « Ankoatry ny fitandroana ny filaminana teny an-toerana dia mitsirika ireo mpanao asa ratsy ihany koa ny Polisim-pirenena izay tsy kely lalana fa manararaotra ny lanonana mahavory vahoaka tahaka izao»

Niara-niasa teny an-toerana ireo pôlisy avy ao amin’ny hery vonjy taitran’ny pôlisim-pirenena sy ny teo anivon’ny kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna ary ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy. Tao anatin’izany no nahatratran’izy ireo ny fihetsika nampiahiahin’ireo olon-dratsy. Nopaingorina avy hatrany teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo ary tsy afa-nikofoka. Raha ny fanazavana azo hatrany dia tafiakatra dimy ny isan’ireo tontakely voasambotra nandritra io fotoan-dehibe tetsy Mahamasina io. Samy nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny pôlisy moa ireto olon-dratsy ireto ary notazomina natao andrimaso avy hatrany ho amin’ny famotorana azy ireo, mandram-piandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici