Ny alin’ny 30 mey teo no nanjavona ny vola izay nipetraka tao amin’ny birao misy ny “trésorerie” an’ny lapan’i Mahazoarivo. Mitentina 12 tapitrisa ariary no very tao raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Niteraka olana anatiny teo amin’ireo mpiambina ny lapa, indrindra izay niasa tamin’io fotoana io, ny zava-nitranga. Nisy mantsy ny baiko nanery ny tsirairay, tsy an-kanavaka galona sy vondrona, mba hanao tsipaipaika ka hamerina ny vola very. Niteraka tsy fitovizan-kevitra izany satria ny zandary dia resy lahatra fa azo atao tsara ny manokatra fanadihadiana ary manana fahefana rahateo izy ireo ny hanao an’izany amin’ny maha-“police judiciaire” io vondrona io. Tsy nisy varavarana vaky na koa nopitsohina tao amin’ilay birao. Dikan’izany dia tokony ho tonga any amin’ireo sivily izay miasa eo anivon’ilay toerana ihany koa ny fanadihadiana raha toa hosokafana ihany. Nisy ny nandà io famerenana vola io teo anivon’ireo mpitandro ny filaminana ary nandeha aza ny resaka omaly fa raha tsy miova io fanapahan-kevitra io dia hikomy izy ireo. Tsy vao izay no nisy ny biraom-panjakana vaky toa izao kanefa tsy nisy varavarana nopitsohina. Vao tsy ela akory no nisy naka ny fitaovana maro ato amin’ny minisiteran’ny fitsarana, tao amin’ny efitrano ambanin’ny tany, kanefa tsy nisy varavarana vaky. Mifatratra any amin’ny mpiambina hatrany ny rihitra rehefa mitranga ny toa ireny, indrindra koa raha mpitandro ny filaminana no miandraikitra ny fanaraha-maso ilay toerana. Betsaka ny toerana arovana no mbola tafiditry ny mpangalatra hatrany. Ankoatra ny biraom-panjakana sasantsasany dia isan’ny nahatohina ny maro ihany koa ny naha-very ny satro-boninahitry ny mpanjaka tao amin’ny lapa, izay nambenan’ny mpitandro ny filaminana maromaro. Tsy tamin’ny faha-mpanjaka akory no nitranga izany rehetra izany fa amin’izao vaninandro iainantsika izao…
D.R