- Publicité SW45 -
vendredi, novembre 8, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLARA ANTSIRABE :  Mitohy ny asa fanavaozana ny sekoly

LARA ANTSIRABE :  Mitohy ny asa fanavaozana ny sekoly

Isan’ireo sekolim-panjakana iray maro mpianatra indrindra eto Antsirabe ny ny LARA na Lycée André Rasampa Antsirabe. Maro ireo olom-panjakana ambony teto amin’ny firenena no nandalo tao tamin’ity sekoly ity. Ankehitriny mananika ny faha 60 taonany  ny sekoly, nandritra izay fotoana ela izay anefa,  tsy  nitsaha nitombo ny mpianatra saingy ny fotodrafitrasa tsy dia nisy fihovany firy fa ny teo ihany no eo. Ny eo ampelatanana no ahetsika hoy Atoa Kassam proviseur ny LARA. Isan’isany ny fandokoana ivelany ny sekoly iray manontolo tamin’ny alalan’ny latsak’emboka nataon’ireo FRAM sy tosika avy tamin’ny Atoa ben’ny tanan’Antsirabe. Nandrenesana fitarainana ihany koa ny rano miandrona aorian’ny filatsahan’ny orana satria saika efa simba avokoa ny lakan-drano tokony ivohan’ny orana ka lasa toy ireny dobon-trondro ireny ny tokotan’ny sekoly rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Efa misy ny vahaolana haingana sy maharitra noraisin’ny mpitantana ny sekoly hamahana ity olana ity ary hiroso tsy ho ela ny asa araky fanazavana hatrany.

Tsy nitsaha nitombo ny mpianatra nandritra izay 60 taona niorenan’ny LARA izay. Ny foto-drafitrasa anefa tsy ampy, isan’izany ny efitrano fianarana izay tokony hampitomboina satria misy efitranon’ny sekoly no ampisan’ny Cisco sy ny DREN.

 Ankoatra izay ny  trano fivoahana izay efa tena tranainy no vitsy ka tsy maharaka ny filan’ny mpianatra. Manjary asa an-davan’andro ny  fisokirana ny “fosse” satria efa antitra loatra ka metetika no tsentsina.  Izany rehetra izany no itadiavana vahaolana sy haingana hoy hatrany ny fanazavan’ny mpitantana ny sekoly ary hanentanana ireo maintimolalin’ny sekoly satria namoaka mpianatra ambony maro ny LARA.

Araka ny antontanisa voaray dia mahatratra 2859 ny mpianatra ao amin’ny LARA, mpampianatra 112 no miandraikitra azy ireo ka 16 amin’izy ireo FRAM; miisa 33 isa kosa ny mpandraharaha ka 27 amin’izy ireo dia FRAM avokoa.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici