- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCashpoint : Lasan’ny mpikirakira ny vola

Cashpoint : Lasan’ny mpikirakira ny vola

Mpamosavy malemy. Izay no azo ilazàna ity vehivavy mpiandraikitra « cashpoint » iray eto an-drenivohitra ity. Tsy nisy nanafika na nangalatra ny toerana kanefa nanjavona avokoa na ny vola na ny finday izay nisy vola. Tsy hita izy hatramin’izao ary karohina rehefa tonga teny amin’ny polisy ny raharaha. Raha ny marina dia ny asany no nivadihany noho ny tsy fahazakàna mikirakira vola. Tsy tokony hananosarotra ihany ny fikarohana azy satria tsy maintsy ho alainy ireo volabe izay ao anatin’ny kaontin’ny finday ampiasainy. Hiasa ny teknolojia ary dia tsy ho afa-maina ny tompon’antoka. Tany Antsirabe koa dia nisy tranga izay nitovy tanteraka tamin’ity. Lehilahy indray no nangalatra ny vola nokirakirainy. Mahatonga saina ihany ny zava-misy satria ny asan’ny tena ihany no nivadihany ho an’ireto olona ireto. Tsy azo omena fitokisana mihitsy ve izany raha vao resa-bola? Eny amin’ny fitsaràna tokoa dia isan’ny raharaha betsaka kirakiraina eny ny fivadiham-pitokisana avy amin’ny fanodinam-bola. Izany hoe fisolokiana ihany fa eo amin’ny olona mifankahafantatra na indraindray aza eo amin’ny mpiasa sy mpampiasa. Ratsy fiafara hatrany izany satria lasa mifandrafy ireo olona izay tena nifampatoky tany am-piandohana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici