- Publicité -
AccueilFaits-DiversLayannah Morgane : Karohin’ny polisy ilay vehivavy  

Layannah Morgane : Karohin’ny polisy ilay vehivavy  

« Hatreto dia tsy azo inoana ny zavatra notantarainy tamin’ny tambajotra sosialy satria tsy nisy nitombina avokoa raha araka ny fanadihadiana savaranonando », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Efa nampanatsoina ilay ramatoa ary namaly antso an-tariby soa aman-tsara tany am-boalohany. Nasaina izy ny hanatona ny biraon’ny polisy kanefa nilaza fa tsy ho avy, satria handeha ho any ivelan’ny nosy. Nanomboka teo no mainka koa nitombo ny fanahiana sao mandainga i Layannah Morgane. Ny zavatra noresahiny rahateo, toy ny hoe teo amin’ny La City Ivandry, tsy hita soritra tamin’ny firaiketan-tsarin’ny « caméra de surveillance ». Ankoatra izay, ny laharan’ny fiara dia tsy nitontona tamin’ilay fiara nolazainy fa Toyota Fortuner. Fiara izay efa azo lazaina fa taty aoriana ary kely ny mety ho mampitombina fa TAB ny fiafaran’ny laharany. Ny fanadihadian’ny polisy hatrany no nanaporofo fa tsy avy teo amin’ny La City ilay antso an-tariby nataony. Nilaza izy fa teo amin’ny toerana nanarian’ireo olona azy no nanaovany ilay fampitàna mivantana tamin’ny facebook ary mbola karohina ny mety ho nisy an’izay. Hatreto aloha raha ny tombana voalohany dia tany amin’ny faritra ny toerana. Raha sanatria ka diso ny zavatra notantarainy dia mety mizotra any amn’ny fanakorontanana saim-bahoaka ve ny tanjona ? Ny tsy fanatonany ny mpitandro ny filaminana anefa dia manamafy izany, satria raha tokony hotantarainy tsotra ny tena zava-nisy dia lasa izy indray izao no iharan’ny fanokafana fanadinadiana tontosain’ny sampana iarahan’ny vondrona maromaro (cellule mixte) eo anivon’ny polisy hatrany. Karohina izy ankehitriny raha araka ny fanazavan’ny polisy ary avy amin’izay no mety hahafantarana izay tena marina sy izay tena tanjona ao ambadika, raha sanatria ka tsy nitombina izay nanjo azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici