- Publicité SW45 -
mardi, octobre 8, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLehiben’ny distrika teo aloha : Nidaroka ny sefo Cisco-ny Marolambo…

Lehiben’ny distrika teo aloha : Nidaroka ny sefo Cisco-ny Marolambo…

Tsy hay na noho ny alahelon-tseza fa dia nodarohan’ny lehiben’ny distrika teo aloha ny sefo Cisco tao Marolambo, nandritra ny alim-pandihizana izay natao ny alin’ny 25 jona nifoha ny 26 jona tokony tamin’ny 03ora maraina. Raha ny fanazavana azo dia mipetraka tsara teny amin’ny sezany izay nipetrahany tao anaty alim-pandihizana ilay lehiben’ny Cisco Andrianjaraherintsaina Yves Wenceslas, nefa mbola nantonony ilay lehiben’ny distrika teo aloha ity Randriantsara Théophile, avy hatrany dia notifiriny totohondry sy nikapoka tamin’ny loha (coup de tete). Tsy nanampo na inona na inona ilay lehiben’ny Cisco ka vaky ny vavany sy ny oriny ary nisafidy ny tsy namaly rahateo ny tenany. Ny koamandin’ny borigadin’ny zandary no niezaka nanala an’ilay sefo distrika teo aloha izay vao tony ny tenany. Nentina teny amin’ny hopitaly ilay lehiben’ny Cisco vokatry ny ratra nahazo azy, tsy afaka niatrika ny fetim-pirenena ny andron’ny 26 jona ny tenany fa mbola teny amin’ny hopitaly. Raha ny vaovao dia tsy faly tamin’ny fampiantranoana nataon’ny sefo Cisco ny lehiben’ny distrika vaovao ilay lehiben’ny distrika teo aloha, ka izay no voalaza fa nahatonga azy nidaroka. Alahelon-tseza araka izany no tao ambadika ilay fidarohana an’ilay lehiben’ny Cisco. Ny talata 27 jona nisy ny fanambarana nataon’ny mpiasa eo anivon’ny Cisco Marolambo, fanambara manameloka ny fikasihan-tanana izay nahazo ny lehiben’ny ary niantso ny fandraisana fepetra hentitra amin’ny nahavanon-doza. Nandritra ny fivoriam-pokonolona natao tao Marolambo momba ity raharaha daroka ity, dia nisy ny fangahana fifonana ho an’ilay lehiben’ny distrika teo aloha izay nataon’ny rafon-dahany saingy tsy noraisin’ny fokonolona ilay fifonana. Nanome roa andro ireo fokonolona hamahana ny olana fa raha tapitra ilay roa andro dia andray andraikitra izy ireo.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici