Lasa maivana kely ilay razana rehefa nentin’ny fianakaviany nody tany an-tanànany. Izay no nanintona ny sain’izy ireo nanala ny zaitra maro tamin’ny vatan’ilay rangahy. Rehefa nozahan’ireo, raha araka ny fanazavany, dia nisy taova nesorina tao amin’ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy. Toy izao ny zava-nitranga : hita faty tetsy amin’ny toerana fantatry ny maro hoe Paraky, eo Soanierana raha ny marimarina kokoa, ny lehilahy iray izay voalaza fa mpivarotra menak’osy no asany. Avy any amin’ny faritr’Androy izy io ary niakatra teto an-drenivohitra noho ny fitadiavana. Ny sabotsy lasa teo no nisy nahita nitsidrahaka tao anaty rano ilay razana ary nisy dian-dratra kely teo amin’ny tarehiny. Rehefa vita ny fitsirihan’ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera dia nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty ny razana. Mbola tsy nahafantatra na inona na inona aloha ny fianakaviana hatreto, raha araka ny filazany. Rehefa henon’izy ireo ny zava-nitranga dia tonga naka ny razana tao amin’ny hopitaly voalaza izy ireo. Teo no nahatsikaritra fa nisy “autopsie” natao tamin’ny havany. Marik’izany ny dian-jaitra maro tamin’ilay vatana mangatsiaka. Koa satria mbola tsy nanahy na inona na inona teo dia nentin’izy ireo nody ny razana rehefa vita ny taratasy rehetra ahafahana mitatitra an’izany. Teny an-dàlana no nanomboka nipetraka ny ahiahy satria maivana kely ilay faty. Rehefa tonga tany amin’ny trano hiandrasana ny razana dia nanapa-kevitra ny fianakaviana ny hamaha ny zaitra. Teo no nahatsikaritra izy ireo fa tsy nisy taova intsony tao anatin’ilay olona 35 taona. Nanazava hatrany ireo olona fa tsy nampahafantarina azy ireo akory na ny fisian’ny “autopsie” aza, isan’ny mifanohitra amin’ny fomba anefa amin’izy ireo ny fikitikitihana ny razana izany, indrindra raha tsy nisy ny faneken’ny fianakaviana. Ny teo anivon’ny hopitaly indray, avy amin’ny tale teknika lefitra, dia nanazava fa tsy nisy fangalàna taova izany. Naverina amin’ny toerany avokoa ny taova izay nozahana rehefa vita ny “autopsie”. Manaraka izany, raha araka io fanazavana io hatrany, dia ny fitsaràna no manome alàlana ny amin’ny hanaovana izany fitsirihana taovan’olombelona izany, ka tsy voatery miandry ny hevitry ny fianakaviana. Milaza ny tsy hanaiky ny fianakavian’ilay olona.
D.R