- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLehilahy maty nisotro “pipi” tao anaty “violon” : Tsy misy idiran’ny...

Lehilahy maty nisotro “pipi” tao anaty “violon” : Tsy misy idiran’ny pôlisy

Ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-54 taona niorenany ny pôlisim-pirenena. Nisy ny fankalazana makotrokotraka ho fanamarihana izany teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ireo faritra hafa. Niara-dalàna tamin’izany fankalàzana izany anefa, teo aloha teo, dia toa saika voatonontonona amin’ny resaka hafa foana ny pôlisy. Eo anatrehan’izay indrindra dia nilaza ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny pôlisim-pirenena fa ekena ary tsy lavina ny fisian’ireo mpihoatra vala. Porofon’izany ireny efa nandray ny valin’asany  ireny. Saingy kosa efa ao anatin’ny fanadiovana tanteraka izany izy ireo amin’izao fotoana izao mba hiavahan’ny vary sy ireo tsiparifary. Ary mba ho pôlisy mendrika amin’izany asa masina izany no tanjona, amin’izao fankalazana ny faha-54 taona izao. Ankoatra izay, maro tamin’ireo mpamaky ny lahatsoratra amin’ny fiteny malagasy, tao amin’ny pejy faha-17, afak’omaly, angamba no nahatsikaritra ny tsy fetezana teo amin’ny lohanteny sy vatan-dahatsoratra. Nilaza izany nanao hoe “Talatamaty, lehilahy maty novonoina, voantondro indray ny pôlisy” , izay tokony hoe, “Talatamaty, rangahy maty nisotro “pipi” tao anaty “violon”. Tsy misy idiran’io lohateny voalohany io mihitsy ny vatan-dahatsoratra, ary tsy misy hidiran’ny resaka pôlisy izany. Vokatry ny hadisoana tanteraka teo amin’ny lafiny ara-teknika no nahatonga izany ka ialàna tsiny etoana ho anareo mpamaky fa indrindra ho an’ireo izay voakasika manokana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici