![](https://midi-madagasikara.mg/wp-content/uploads/2024/03/Mahavoky.jpg)
Basy poleta PATT iray niaraka tamin’ny fitoeram-bala sy bala miisa enina no hita teny aminy, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny pôlisy teny an-toerana. Tranga niseho tao Mahavoky atsimo, tao an-drenivohitr’i Boeny tao, ny voalohan’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia antso avy amin’ny olona teny an-toerana no nahafantaran’ireo mpitandro filaminana ny fisiana olona mampiahiahy teny amin’iny faritra iny, tsy lavitry ny toerana fivarotana zava-pisotro iray. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy mpanao fisafoana ary nahatsikaritra ity lehilahy iray 34 taona ity tokoa. Avy hatrany dia niroso tamin’ny fisavàna azy ireo pôlisy ary tamin’izany no nahitàna ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity, hoy hatrany teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Tsy nisy alaharo alaharo intsony moa fa nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny kaomisaria foibe tao Mahajanga ranamana, hanazava ny ny fisian’ity basy ity tany aminy sy hitondra ireo taratasy nahafahany nitondra ity fitaovam-piadiana ity. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka araka ireto mpitandro filaminana. Mitohy foana ihany koa ny hetsika entina hametrahana ny fandriampahalemana any an-toerana. Rehefa mitondra basy marina moa izany ny olon-tsotra iray dia midika fa izy no mafy be sy henjana, tsy azo atao n’inona n’inona ? Samy miara-mahatadidy ihany koa angamba ny rehetra mahakasika ilay olona tao amin’ny trano fisakafoanana malaza iray tao an-drenivohitr’i faritra Atsinanana tao, izay nandrahona mpamilina bajaja tamin’ny alalan’ny basy, ary saika niharan’ny hatezeran’ny olona.
m.L