- Publicité SW45 -
mardi, mai 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : Lehilahy nanolana Zaza 10 taona lavon'ny balan'ny Zandary

Mahazomà-Maevatanàna : Lehilahy nanolana Zaza 10 taona lavon’ny balan’ny Zandary

Tsy sahy hiatrika famosirana ilay mpanolana

Anisan’ny tena ahitana trangana fanolanana matetika sy hahenoana fitarainana ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, izay nampidirana am-ponja Atoa Tavilahy nampiditra ratsan-tanany tamin’ny fivavihana zazavavikely iray ny taona 2022, ny iray hafa moa mbola jerem-potsiny tahaka ny tany nahalavona, any an-toerana amin’izao an-kehitriny izao, izay tsy misy mahasahy mitoroka no tsy handraisan’ny mpitondra any Mahazomà andraikitra mihitsy io lehilahy milaza fa manam-bola io. Ny iray hafa moa dia izao lavaon’ny balan’ny Zandary taorian’ny fanolanana Zazavavikely 10 taona izao. Raha jerena tokoa ny makasika ity tranga ity, dia nahazo fampahafantarana tamin-dRamatoa Fleure ben’ny tanànan’ i Mahazomà ny Zandary, fa nisy trangana fanolanana nihatra tamin’ilay Zaza folo taona (10 taona,) ny andron’ny Alakamisy faha-25 Aprily 2024 teo, tokony tamin’ny enina ora hariva, tao amin’ny fokontany Bevatokely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Rehefa natao ny fizahana an’ity Zaza folo taona ity, dia voamarin’ny mpitsabo ny fahasimbany. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana, fa nandeha nisambotra ny navanon-doza ny Zandary, ka vaky nilefa ity farany niaraka tamina lehilahy iray hafa: nandritra ny fifanjevona no nahalavon’ny balan’ny Zandary azy. Ny Zandary dia miady amin’ny herisetra ka tsy handefitra amin’izany tranga izany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici