Nialohavan’ny fanentanana sy fampatsiahivana ilay fisamborana. Mbola niverina teo amin’ny toerana mitovy ihany anefa dia ny toeram-pilokàna izany ireo olona, efa samy rangahy lehibe. « Notenenin’ny polisy moramora izy ireto ary nampahafantarina fa voararan’ny lalàna ny filokana an-dalambe. Rehefa lasa ny polisy ary niverina teo amin’ilay toerana dia ireo izy dimy lahy misahirana manohy ny lalao. Nosamborina avy hatrany ireto farany rehefa sarotra natoro sy notenenina ary nanokafana fanadihadiana eny amin’ny kaomisaria » raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Mbola ireto farany ihany no nampitandrina fa hiroso amin’izay amin’ny fisamborana ireo mpikirakira sy mpikoka an-dalambe. Isan’izany ny mena mahazo, ny kodia kely, ny « tourniquet » sy izay mety ho loka hita maso eny amin’ny toerana an’ny besinimaro. Feno izany tokoa eto an-drenivohitra ary samy manoko izany eny amin’ny sisin-dàlana eny olona sasany. Tsy fialamboly velively izy ireny rehefa tena dinihina satria misy vola be miodina. Ny mahatalanjona dia saika ireo olona ao anaty fahasahirana ny maro izay mbola voajono hatrany ao anatin’ireny filokana samihafa ireny. Asa, ny vola tokony hiantsenana ve no mbola ampiadiana sy ariana indray ao anatin’izany?
D.R