- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversLoza teny Andramy sy Antsanika : Mpitondra môtô naratra mafy nodomin’ny fiara...

Loza teny Andramy sy Antsanika : Mpitondra môtô naratra mafy nodomin’ny fiara 4×4

Lehilahy iray mpitondra môtô no naratra mafy, nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana, teny anelanelan’Andramy sy Antsanika, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, no nisehoan’ny loza, ny alatasinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany teo ho eo. Potika  tsy nisy noraisina ihany koa ny kodiaran-droa tamin’io. Noezahin’ireo olona teny manodidina novonjena teny amin’ny hôpitaly  Morafenokely, ilay mpitondra môtô, saingy tsy vita teto amin’ny renivohim-paritry Betsiboka ny fitsaboana, fa voatery noentina niakatra any an-drenivohitra ny talata hariva lasa teo.  » Niala avy eto Maevatanàna hianavaratra ilay fiara tsy mataho-dàlana. Nifanena tamin’ny môtô an’ny mpiasa ao amin’ny tetikasa Miaro avy namita hiraka tany Berivotra 5×5. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny fiara nanitsy tany amin’ny môtô. » Tafasisika tao ambany fiara ny môtô. Nipitika tsy lavitra teo ilay mpitondra môtô, araka ny fitantaran’ny olona teny an-toerana. Milaza ho tsy nahazo fampandrenesana momba ity tranga ity ny Borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana (BPR) eto Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici