- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-piarakodia nahatsiravina teny Ambohimandroso : Taxi-brousse nifaoka TATA nahafaty olona efatra

Lozam-piarakodia nahatsiravina teny Ambohimandroso : Taxi-brousse nifaoka TATA nahafaty olona efatra

Namoa-doza  indray ny sprinter teny Ihazolava- Ambohimandroso, omaly  vao maraim-be. Irony fiarabe antsoina hoe « Tata » irony, nijanonana amoron-dalana,  no voafaoka tamin’ity indray mitoraka ity. Vokany : olona efatra no maty, ny telo maty teo no ho eo fa ny iray kosa teny an-dalana hamonjy ny toeram-pitsaboana. Tamin’ny efatra ora maraina, taxi-borosy no nifaoka an’ity Tata avy aty aoriana. Taxi-brousse mampitohy an’i Farafangana sy Antananarivo nirimorimo  sady tsy nandrehitra jiro, na dia efa nadiva haraina aza ny andro, ity namono olona ity. Raha araka ny fanazavan’ireo  olona nanatri-maso ny loza dia tratran’ny olana ara-teknika ity fiarabe ka voatery nijanonana teo an-tsisin-dalana. Raha mbola variana nijery ny simba tao ambany ilay mpanamboatra no nirifatra avy aty avaratra ity taxi-borosy ka  nifaoka  azy ireo. Olona telo no maty teo no ho eo, tsy azo nialana nenina: ilay mpanamboatra  fiara, vehivavy iray sy zaza amam-bolana  mpandeha tamim’ilay taxi-brousse. Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ilay sprinter ka tsy afaka nihetsika intsony teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Sarotra ary nanahirana ny namoaka ny mpamily sy ireo nipetraka teo anilany ary naharitra teo amin’ny 30 minitra teo mihitsy. Raha araka ny vaovao voaray dia mbola tsy mahatsiaro tena ilay mpamily ny sprinter ka atahorana ny ainy. Nitohana nandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito teny noho ity loza ity. Nisesisesy tamin’ity fiandohan’ny taona 2017 ity ny lozam-piarakodia  teny amin’ny lalam-pirenena teny ka mila ny fitandreman’ny tsirairay.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici