- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Noho ny firimorimon’ny « moto », olona roa no namoy...

Lozam-pifamoivoizana : Noho ny firimorimon’ny « moto », olona roa no namoy ny ainy

AMBANJATsy ny fiarakodia ihany no mety hanao lozam-pifamoivoizana andratrana sy amonoana olona rehefa mihoatra amin’ny hafainganam-pandeha fa na ny “moto” ihany koa. Olona roa samy hafa no namoy ny ainy noho ny fisetrasetran’ireo mpitaingina “moto”. Teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy ohatra, dia raim-pianakaviana iray izay nihazo an’i Vohémar no namoy ny ainy raha nandeha “moto”. Omaly vao mangiran-dratsy tamin’ny roa ora no nitrangan’ny loza tamin’ny làlam-pirenena fahadimy, teo Andalamahitsy PK 181, 23km tsy hiditra an’i Vohémar. Raha iny izy nandeha tsy nanampo na inona na inona iny no nipoitra tampoka avy any anaty ala tany ireto andian’omby. Noho ny hamafin’ny dona nihatra taminy anefa, taorian’ny fianjerany, dia tsy tàna ny ainy. Ny andro rahateo maizina ka tsy nisy afaka namonjy azy. Ny fanazavana azonay hatrany no nahalàlana fa matory any an’ala ny ankamaroan’ny omby any ami n’iny toerana iny ka izay no antony ahitana azy ireo tsy andro tsy alina eny rehetra eny.

Ambanja.Tany amin’ny distrikan’Ambanja dia nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ihany koa. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona nitondra “moto” no nindaosin’ny fahafatesana. Voalaza mantsy fa voadonan’ny “tracteur” iray sendra nifanena taminy teny an-dàlana ity “moto” ity ka dia potika tsy nisy noraisina. Nikoriana nameno ny arabe ny rà. Maty tsy tra-drano ihany koa ralehilahy. Hatreto, tsy mbola fantatra raha nandeha mafy ity “moto” ity na tsia nahatonga azy tsy nahita ilay “tracteur” efa nanatona azy.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici