- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana RN6 : Nahemotra indray fa tsy nisy tonga ny notoriana

Lozam-pifamoivoizana RN6 : Nahemotra indray fa tsy nisy tonga ny notoriana

Tsy naharitra ela akory dia rava ny fotoam-pitsarana tao amin’ny efitrano fahadimy omaly. Izany dia mahakasika ny fitsaràna ilay raharaha lozam-pifamoivoizana izay nitranga teny amin’ny tetezan’i Tanambao-Manambaro, Antsohihy. Tsy tonga ara-potoana ny fampiantsoana ireo olona sy vondrona  notoriana ary izay no anton’ny fanemorana. Isan’izany ny tompon’ny fiara, ny mpamily ary ny trano fiantohana. Nanapa-kevitra ny fitsaràna fa amin’ny 9 novambra ho avy izao no handinihana indray ny raharaha eo anivon’ny fitsaràna ambaratonga voalohany. Efa-taona sy telo volana taty aoriana  vao nandeha ny fitsaràna ny raharaha. Raha tsiahivina mantsy dia ny 30 jolay 2014 no nitranga ny lozam-pifamoivoizana rehefa nisongona kamiao ny fiara kinanjo niafara tany anaty hatsana izay mirefy 15 metatra. Olona valo no namoy ny ainy ary 33 no naratra mafy ka nampiakarina taty an-drenivohitra mba ho fitsaboana azy ireo. Nampanantena ny fanjakana tamin’izany fotoana, avy amin’ny alàlan’ny praiminisitra fa hiantoka ny lany rehetra amin’ny fitsaboana ireo olona ary koa hanao izay faraheriny amin’ny fanasaziana ny nahavanon-doza. Ankehitriny anefa, raha araka ny fitarainan’ny olona dia tsy nisy ankoatra ny valopy izay nomena tao amin’ny hopitaly izany fampanantenana izany. Tsy vitan’izay fa na ny mpamily izay nitsoaka aza dia tsy hita hatramin’izao no tsy nisy na dia didy fampisamborana nivoaka momba azy aza. Aiza ny fitohizan’ny fanjakana ? Mbola tsy afaka ao am-pon’ireo havan’ny maty sy nitondra voina ity raharaha ity ary arahin’izy ireo maso akaiky.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici