- Publicité -
jeudi, septembre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra : Tranga 16 namoizana ain’olona tao anatin’ny iray volana

Lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra : Tranga 16 namoizana ain’olona tao anatin’ny iray volana

Saika olana ara-teknika mahavoa ny fiara avokoa ireo trangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tamin’iny volana jolay iny, raha ny teto an-drenivohitra araka ny antontanisa navoakan’ny pôlisim-pirenena. Nahatratra hatrany amin’ny 16 be izao ireo tranga voaray sy nanokafan’izy ireo fanadihadiana, mahakasika izay lozam-pifamoivoizana nahafaty olona izay. Ankoatr’izay olana ara-teknika izay anefa dia tsy azo lavina ihany koa fa misy ireo tranga vokatry ny tsy fitandreman-draolombelona, na ireo mpamily mamo eo am-pitondràna fiara izany na ireo mpandeha tongotra tsy manaja akory ny toerana tokony hiampitàna arabe, noho ny tsy fahaizana na noho tsy firarahiana tsotr’izao ireny faritra ireny. Izany toe-javatra izany anefa anisan’ny mampiakatra avo dia avo sy mampitombo ny tahan’ny loza eny an-dalana, raha ny nambaran’ny pôlisy hatrany.

Raha ity tarehimarika navoakan’ny navoakan’ny pôlisim-pirenena tamin’ny alalan’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ity hatrany dia fantratra tena niakatra izay tsy izy ireo trangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny volana nivalona iny. Nahatratra hatrany amin’ny 85 isa mantsy izy ireo, raha teto an-drenivohitra manokana. Ny kodiaran-droa sy ny fiaran’olon-tsotra no samy mitana ny laharana voalohany ao. Samy nahitàna tranga 27 izy ireo, ka dimy tamin’izany no namoizana ain’olona ho amin’ny môtô ary enina ho an’ireo fiaran’olon-tsotra. Tranga 21 kosa ho an’ireto farany no naharatrana olona raha 22 no nataon’iry voalohany. Ny ankoatr’ireto roa voalohany ireto moa dia samy nahatonga izay loza izay avokoa rehefa mety ho fitaovana entina eny amin’ny lalana : manomboka any amin’ny bisikleta, izay nahitàna tranga efatra, ka ny telo tamin’izany namoizana ain’olona avokoa. Mandalo amin’ireo fiara mpitatitra, na taxi-brousse io, na taxi-be na fiara karetsaka. Tranga roa tamin’ny 11 voamarika teny anivon’ny BAC no nahafaty olona. Tsy ireto ihany fa nisy trangana lozam-pifamoivoizana izay nataon’ny fiaram-panjakana iray ihany koa nanokafana fanadihadiana teny anivon’ny pôlisy. Fantatra fa naharatrana olona moa izany loza izany. Ny hafa ankoatr’ireo moa dia saika loza, tsy nisy afa-tsy zavatra simba. Nahatratra hatrany amin’ny 13 any izy ireo, raha ity antontanisa ity hatrany. Ny pôlisim-pirenena dia tsy mitsahatra miantso ny rehetra amin’ny fitandremana sy ny fanajàna ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana, hisorohana ny loza tahak’izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici