Omaly ihany dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’ny tompon’ilay fiara izay namily azy. Ilay fiara dia tena nitovy saingy tsy fantatra kosa raha tena izy ilay sary. Raha ny fijery azy dia mbola tovolahy ilay tompon’andraikitra tamin’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Alarobia ny harivan’ny alahady teo, tsy fitandremana izay nitarika ny fahafatesan’ny olona roa tao anatin’ny fianakaviana iray izay misy dimy mianaka. Raha nanontaniana ny teo anivon’ny pôlisy omaly dia nilaza izy ireo fa ao amin’ny Brigade des Accidents (BAC) aloha no itazomana ilay tovolahy. Sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana momba ny lozam-pifamoivoizana izy io ary mahakasika ny lozam-pifamoivoizana tokoa aloha no antony itazomana azy. Ny amin’ny namoahanay basy indray, araka ny fijoroan’ny olona vavolombelona teny an-toerana ny alahady teo, dia mbola mety ho raharaha hafa tanteraka. Tsy mbola nandrenesam-peo aloha ny pôlisy ny momba an’izany.
D.R