- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana tetsy Antanifotsy : Nisy namoy aina koa raha nandre ny zava-nitranga

Lozam-pifamoivoizana tetsy Antanifotsy : Nisy namoy aina koa raha nandre ny zava-nitranga

Fantatra izao fa fahatapahana lalan-drà no nahafaty ny miaramila iray izay nanana vady aman-janaka namoy aina tao anatin’ilay lozam-pifamoivoizana tetsy Mandikanamana-Ilempona (RN7). Mianatra asa eo anivon’ny ENSOA Antsirabe io miaramila io. Isan’ny mpandeha ihany koa izy saingy mba tao anatin’ireo noheverina fa ho voavonjy. Kinanjo nisy akony tanteraka tamin’ny fony ny zava-nitranga dia ny fahafatesan’ny ankohonany. Tapaka lalan-drà ilay raim-pianakaviana raha nandre ny vaovao ratsy. Hatramin’ny omaly izany dia valo no namoy ny ainy momba ity lozam-pifamoivoizana ity. Ireo tao anatin’ilay sprinter avokoa izany ary tao anatin’ny namoy aina ny mpamily. Mbola misy koa ireo miady aman’aina sy tsaboina ao Antsirabe. Isan’ny nahatohina ny maro ny tsy fisian’ny fiara nijanona ka nanampy tamin’ny fitaterana ny naratra tamin’ity raharaha ity. Toetra iray izay manaporofo ny tsy fisian’ny firaisan-kina. Tokony ho fantatra koa anefa fa heloka eo anatrehan’ny lalàna izany ary mampigadra ny tsy famonjena olona miady amin’ny fahafatesana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici