- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversLozan-dalamby tao Andekaleka: Niharan-doza ihany koa ny fiara nitondra ireo mpamonjy

Lozan-dalamby tao Andekaleka: Niharan-doza ihany koa ny fiara nitondra ireo mpamonjy

Taorian’ilay lozan-dalamby niseho tao Andekaleka, dia samy nohetsehina avokoa ireo rehetra mety ho afaka hamonjy, tany amin’iny faritra iny. Noho ny fahamehana anefa, dia niteraka loza hafa indray izany. Fiara tsy mataho-dalana ana dokotera miaramila iray miasa eo anivon’ny Sekoly ambonin’ny zandary ao Moramanga no niala ny làlana ary nifatratra teny amina vodihazo iray, tamin’iny làlam-pirenena faharoa iny, kilaometatra vitsy monja miala ny fiolahana mankany Andasibe. Izy ihany moa no nitondra ny fiara tamin’io fotoana io, niaraka tamin’olona efatra hafa; izay samy mpitsabo sivily miasa ao Moramanga avokoa. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo no niseho ny loza. Avy namonjy ireo olona tra-doza tao Andekaleka mihitsy izy ireo tamin’io fotoana io ary handeha hitodi-doha hiverina any Moramanga. Mazava ho azy, fa vonjy aina no natao ka somary nandeha mafy ihany ilay fiara. Tsy fantatra anefa teo na vokatry ny harerahan’ny mpamily na tsy fahatombanana teknikan’ny fiara no nahatonga ny loza hatreto. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy, saingy naratra daholo kosa ireo mpandeha tao anaty fiara ary efa nentina novonjena tany amin’ny hôpitaly.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici