- Publicité SW45 -
samedi, novembre 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLycée technique Antsirabe : Miditra an-tsehatra manampy ny mpianatra ny FRAM

Lycée technique Antsirabe : Miditra an-tsehatra manampy ny mpianatra ny FRAM

Mpianatra miisa 70 notolorana certificat ( sary Andry N)

Sambany teo amin’ny lisea Teknika Antsirabe no nisy mpianatra nisitraka fampiofanana mba hahafahan’izy ireo mivelatra sy manovo fahalalana hafa nefa mifandraika amin’ny fianarana ratoviny ihany.

Mpianatra miisa 70 no nahavita fiofanana ary notolorana mari-pankasitrahana ny Sabotsy 5 Aogositra 2023 lasa teo. Nisy no nisafidy ny “Anglais Bisness speaking” satria tsy afaka misaraka amin’ny asa miandry ireo mpianatra ny teny Anglisy raha ny fanazavan’I Joel Andrianiaina mpikarakara ny fampiofanana. Ity farany rahateo dia maintimolalin’ny lisea teknika ka mahafantatra tsara ny filan’ireo mpianatra. Ankoatra izay ny fampiofanana DAO izay sambany ihany koa ho an’ireo mpianatry ny lisea teknika no nanao izany.

 Tsy misy tambiny ny fampihofanana fa maimaim-poana avokoa, tanjona amin’izany ny mba hanan’ireo mpianatra izay tokony hilainy aorian’ny fianarany satria maro amin’ireo mpianatra no misafidy ny hiasa avy hatrany aorian’ny fahazoany ny bakalorea. Tsy ampy anefa ny traikefa ho enti-miatrika ny asa miandry azy ireo ka izany no antony iray lehibe hanomezana fampiofanana azy ireo. Ny klioba “Ant C” , mpianatra nivoaka tao amin’ny lisea teknika ihany no tompon’andrikitra voalohany amin’’ity klioba ity, miara miasa amina “bureau d’étude” iray eto Antsiraba sy FRAM no toko telo nahamasanandro ny fampiofanana.

Fa isan’ny tena manampy be ireo mpianatra misafidy ny BTP ny fahafahan’izy ireo mampiahatra avy hatrany ny fahaiza manaony amin’ny alalan’ny “stage pratique” iarahana amina “bureau d’étude. Homena safidy malalaka ireo mpianatra fa tsy an-tery hoy Randriamalala Miantonirina, “Architecte” no sady filohan’ny FRAM. Tanjon’ity fampiofanana iray ity ny hahatonga ireo mpinatra ho lasa “mpitarika asa” na “chef de chantier” fara-faharatsiny aorian’ny bakalorea teknika.

Vina napetraky ny FRAM ny hahazoan’ny mpianatra “ordinateur” iray isaky ny mpianatra, satria sahirana amin’ny tsy fahampian’ny solosaina ny mpianatra ao amin’ny lisea teknika ao, ary tanjona goavana ny hanavaozana ny sekoly izay efa miha simba ankehitriny ka tsy mamaly ny filan’ny mpampianatra sy ny mpianatra intsony amin’izao taona arivo fahatelo izao.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici