Ho setrin’ny programan’ny filoham-pirenena hametraka « puce électrinique amin’ny omby mba hiadiana famin’ny asan-dahalo, naneho ny heviny momba izany ireo mpiompy sy mpandraharaha omby mikambana ao amin’ny kaoperativa Mada-omby ,fa mankasitraka tanteraka io fanapahan-kevitraio. Nilaza Tahiry Sambahefa, Filohan’ny Filakevi-pitantanan’ity kaoperativa ity, fa tetik’ady iray mety hampihena ny halatr’omby tokoa ity fomba iray ity, satria ho mora kokoa ny fanarahana ireo omby very. Raha izany no tanteraka dia havitrika indray ny tambanivohitra ny hiverina amin’ny fiompiana omby ary azo inoana fa hitombo hatrany amin’ny avo roa heny ny isan’ny omby eto Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy. Hahita tombony amin’izany ihany koa ny Fanjakana, satria hihena ny vola laniana amin’ny fanaovana « opération vol de boeufs » saika isan-taona izao izay mazana amoizana aina miaramila. Efa tokony hojerena manokana ny fomba hanatanterahana izany izay fantatra fa sarotra raha ny toe-draharaha misy eo amin’ity sehatra fiompiana sy fandraharahana omby ity, eto Madagasikara. Manoloana izany indridra, milaza ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Mada-omby, fa manana soso-kevitra haroso amin’izay fampiasana ity « puce électronique » hoan’ny omby ity izay. Koa mirary koa raha mirary izy ireo ny mba hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaoperativa sy ny Fanjakana mba hampanjariana io programa io.
T.M.