- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversMaevantanana : Tale nitifitra nosamborin’ny zandary

Maevantanana : Tale nitifitra nosamborin’ny zandary

Maty tsy tsa-drano ilay olona notifiriny. Tsy vitan’izany fa mbola olo-be ao an-tanàna koa, tangalamena. Ny antoandron’ny talata teo, nandritra ny asa fisafoana nataon’ny talem-paritra iray eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana no nitranga ilay olana niafara tamin’ny fahafatesana. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Marokoloy, 60 kilaometatra miala an’i Maevatanàna no nanao asa fisafoana ilay tompon’andraikitra sy ny ekipany. Mahakasika ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna izany ary indrindra ho an’ireo mpikapa ala mba hanaovana arina fandrehitra na koa saribao. Teo no nisy ny fifampiresahany tamin’ilay tangalamena tao an-tanàna izay sady voakasiky ny raharaha. Fifampiresahana niafara tamin’ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Nisy ny famoahana basy avy amin’ilay talem-paritra ary tsy vitan’izay mba nentina nampitahorana izany fa tena nampiasaina. Notifiriny ilay tangalamena ary maty tsy tsa-drano. Vetivety dia niely tao an-tanàna ny vaovao ary nisy avy hatrany koa ny nampandre ny mpitandro ny filaminana. Natao avy hatrany ny fisamborana ny tompon’andraikitra tamin’ity heloka bevava ity. Nentina avy hatrany tany Maevatanàna izy ary nosokafan’ny zandary ny fanadihadiana mahakasika azy. Omaly dia mbola notazomina sy nohenoina tao ity talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala ity. Manana fahazoan-dàlana mitazona basy ve ilay tompon’andraikitra ? Ankoatra izay, azo heverina ve fa ara-dalàna ny fampiasany izany fitaovam-piadiana izany tamin’ny fitifirana ilay olona ? Mihodidina amin’izany mazava loatra ny fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici