mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna ambonivohitra : Nasesin'ireo jiolahy ny fokontany roa, olona efatra naratra voafira famaky

Maevatanàna ambonivohitra : Nasesin’ireo jiolahy ny fokontany roa, olona efatra naratra voafira famaky

Hatairana ny an’olona manodidina, rehefa nahita sy naheno ny zava-nitranga, tao amin’ireo fokontany roa, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny alin’ny Alahady hifoha Alatsinainy teo, tamin’ny alalan’ny fanafihana niaro-torabato. Tokony tamin’ny 12 ora alina ny Alahady faha 02 Marsa taona 2025 teo no niditra am-boletra tao amin’ny fokontan’Anosikely avaratra, ireo jiolahy tsy voafaritr’isa, ka nofirain’izy ireo tamin’ny famaky, ilay lehilahy tao an-trano no lasan’ireo ihany koa ny lelam-bola efatra hetsy ariary na 400.000 ariary. Rehefa vita ny fanafihana tao amin’ny fokontany voalaza etsy aloha, dia niroso tamin’ny fanafihana niaro-torabato, tao amin’ny fokontan’Ambatofotsy indray ny malaso, ka mpivarotra hanimasaka toy ny paty sy vavan’omby, ary tranom-baraotra iray no voarobo sy naratra ny marainan’ny Alatsinainy faha 03 Marsa taona 2025, tokony tamin’ny iray ora tany ho any. Lasa ireo olon-dratsy, taorian’ny fanafihana nataony. Nihezaka namonjy tao amin’ireo fokontany roa ireo ny polisy, saingy efa tsy tratra intsony ny malaso. Ny maraina teo no nivoaka teny amin’ny hopitalibe Morafenokely ny mpivady roa niharam-boina, raha toa ka mbola manaraka fitsaboana sahaza ny lehilahy roa hafa. Mitohy hatrany ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana hatreto.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici