- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tampon-tanàna: Nangotraka ny fitsenana ny solombavambahoaka lany fanindroany

Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nangotraka ny fitsenana ny solombavambahoaka lany fanindroany

Haravona tsy omby tratra no nasetrin’ireo vahoaka tonga nitsena Ramatoa Ravoninahitriarivo Mbaje Jeaninne Gabriel teny amin’ny 15 Côcô, ny sabotsy faha-13 jolay  taona 2024 lasa teo, tokony tamin’ny 2 ora tolakandro tany ho any, izay notron’ireo tompon’andraikim-panjakana maro sy ny fikambanana, mpitondra fivavahana, sojabe, antoko politika samy hafa, ben’ny tanàna miisa fito, sivily sy miaramila. Dia an-tongotra no namakivavikiana ny lalana nihazo ny tobin-tsolika  » Total sy Shell, » ary nofaranana tao amin’ny Espace Tiana Royale Andranomangatsiaka, izay dinidinika ambany tafon-trano sy ny fihinana ny nofonkena mitam-piavanana. Nandritra ny fandraisam-pitenana nifandimby, indrindra fa tamin’ny lahateny Ramatoa solombavambahoakan’i Madagasikara, izay lany voafidy tato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, dia nanamafy ny tenany fa mahazo matoky ianareo vahoaka tsy an-kanavaka fa hijoro, ary ho saropiaro hoan’ny tombontsoa iombonana hoan’ny disitrikan’i Maevatanàna aho. Tsy handiso fanantenana fa tena hisolo vava anareo, hiteny ny marary sy hikatsaka ny tsara hatrany na amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta izany na amin’ireo tolo-dalàna mifandraiky amin’ny filan’ny vahoaka. Eto dia misaotra anareo rehetra nanome fahatokisana ahy, misaotra ireo naira-nisalahy sy nifanampy ihany koa. Mankasitraka ny vovonana  » IRMAR  » manome vahana ny vehivavy hatrany. Atsaharo amin’izay ny adilahy politika, fa ‘ndao hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ity disitrika malalantsika ity, afaka manokatra varavarana hoan’ireo rehetra ny tenako na ireo nanohana ahy na ireo izay tsy nanohana aza, satria solombavambahoaka anareo rehetra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna aho. Am-panetren-tena no andraisako izao andraikitra fanindroany amin’ny maha Depiote ahy izao. Marihina fa nilamina tanteraka ny lanonam-pitsenana, satria nihezaka nanao ny asany ny mpitandro ny filaminana. Ravoninahitriarivo Mbaje Jeaninne Gabriel indray izany no solombavambahoakan’i Madagasikara mandritra ny dimy taona, araky ny voakatra ofisialy navoakan’ny  » HCC  » teny Ambohidahy ny alakamisy faha-27 jona taona 2024 teo iny. Afaka dimy taona indray hoan’ireo manam-paniriana hirotsaka amin’izany

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici