- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna an-tapon-tanàna : Ho hentitra ny sazy ho an'ireo minia manao varo-maizina...

Maevatanàna an-tapon-tanàna : Ho hentitra ny sazy ho an’ireo minia manao varo-maizina solika

Anisan’ny olana sedrain’ny firenena ankehitriny ny tsy fahampin’ny famatsiana solika na ny lasantsy no marimarina kokoa, ka anisan’ny misedra izany ireo tombin-tsolika miisa telo eto Maevatanàna an-tapon-tanàna. Noho ny olana ara-pamatsiana lasantsy misy ankehitriny anefa dia namory ireo tompon’andraikitry ny toby mpaninjara solika ny avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana eto Betsiboka, izay niarahana tamin’ireo mpikamban’ny OMC ( Organe Mixte de Conception ) aty an-toerana na, ny Alakamisy faha 23 Aprily taona 2026, tokony tamin’ny 06 ora sy sasany hariva tany ho any, tao amin’ny biraon’ny préfen’i Maevatanàna. Tapaka nandritra ny dinidinika fa ajanona tanteraka ny fanomezana solika na ny lasantsy amin’ny daba miloko mavo na Bidon Jaune, mandra-pisian’ny lamina vaovao. Hofantarina ihany koa ireo mpampiasa solika eny anivon’ny kaominina ambanivohitra tsirairay avy no hijerena amin’ny fomba hamatsiana azy ireo. Manoloana ity resaka famatsiana lasantsy ity dia miaraka manara-maso ny fanatanterahana izany ny avy eo anivon’ny fitaliavam-paritry ny varotra sy ny Fanjifana Betsiboka, ary ireo mpitandro ny filaminana aty an-toerana. Hoezahina hofongorina ihany koa ireo mpanao varo maizina manararotra zao toe-javatra izao, ary tsy hilefitra sy andraisana sazy hentitra ireo olona tratra manao izany manomboka izao. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia manentana ireo mpanjifa ny fitondram-panjakana aty amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka mba ho sahy hitoroka, raha mahita tranga fanararaotana tsy mifanaraka amin’ny lalàna miseho mikasika ny resaka solika, fa tsy handefitra amin’ireo minia manao izany, izy ireo. Ny préfen’i Maevatanàna ihany koa moa no nitarika izao fihaonana izao teto.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici