
Tafiditra ao anatin’ny hetsika ara-tsosialy tsy misy hidiran’ny sehatra ara-politika ny hetsika karakarain’ny fikambanana Hanjary Raha Ty eto Betsiboka, nanomboka tamin’ny alatsinainy 6 jolay 2026 teo, tao amin’ny EPP Annexe Andranomangatsiaka ato anatin’ny Zap Maevatanàna, tamin’ny alalan’ny » cours faradoboka maimaimpoana. » Ankizy mpianatra manomana Baccalauréat 2026 » 250 mahery eo ho eo no nisitraka cours faradoboka maimaimpoana, izay nitsinjara tamin’ny efitrano roa. Ny tanjon’ny fikambanana, dia ny hanamafy ny efa azon’ireo ankizy tany am-pianarana no hanamaivana ny vesatrin’ny Ray aman-dren’izy ireo amin’izao » cours faradoboka maimaipoana izao. Teto ihany koa dia nisaotra an’Atoa VPAN Afakandro Christian, filoha mpanorina ny fikambanana Hanjary Raha Ty, ireo ankizy nisitrika ny » Cours faradoboka maimaimpoana, avy amin’ny fikambanana H.R.T Betsiboka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia nilaza ireo olom-belona ao amin’ny fikambanana Hanjary Raha Ty, fa azo antoka tsara ny traikefa hananan’ireo mpampianatra manome ny cours faradoboka maimaimpoana.
Ratantely




