- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Dahalo raindahiny malaza amin'ny fanafihana lavon'ny balan'ny Zandary

Maevatanàna : Dahalo raindahiny malaza amin’ny fanafihana lavon’ny balan’ny Zandary

Anisan’ny dahalo nikoizana amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy ny vonon’olona niampy halatr’omby i José, izay nampitondra faisana ny mponina ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna sy Kandreho. Efa ela ihany koa moa no nanaovan’ny mpitandro ny filaminana ny fikarohana, ity olon-dratsy ity. Ny marainan’ny talata faha 28 Aprily taona 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora no nahazo vaovao marim-pototra tamin’ny olona tsara sitra-po amin’ny fisian’ilay dahalo raindahiny atao hoe: José, tao amin’ny tananan’Antanimalandy, fokontany Madirotelo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5X5, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Zandary miasa ao amin’ny Zana-tobim-paritra ny kaominina ambanivohitra, voalaza etsy aloha. Rehefa nandre ny antso an-tariby mikasika izany ny Zandary dia tonga tany an-toerana, tokony ho tamin’ny 06 ora maraina mba hisambotra azy, saingy tafaporitsaka nitsoaka raha nahatazana ny mpitandro ny filaminana ity farany. Niroso tamin’ny fanenjehana avy hatrany ny Zandary no nanao ny fampitandremana mafy tamin’ny alalan’ny tifi-danitra, saingy tsy nety nijanona izy, ka voatery nitifitra hampijanona azy ny Zandary. Vokany: maty tsy tra-drano i José dahalo raindahiny.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici