Efa-dahy tompon’antoka tamin’ny fanafihan-jiolahy nahafatesana tovolahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena miasa eto Maevatanàna, taorian’ny vaovao voaray. Rehefa vita ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana azy ireo, dia natolotra tamin’ny mpitsara mpanao famotorana ny andron’ny faha-08 jolay lasa teo ny mataho-tody, ka nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Ambodimadiro hihinana mangahazo tsy vidina. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona hafa mety ho voarohirohy amin’ity raharaha ity. Raha tsiahivina ny zava-niseho, dia ny alin’ny alatsinainy faha-29 jona taona 2026 lasa teo, tokony tamin’ny 11 ora sy sasany no nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana ny tao amin’ny zana-bohitra Morafeno, fokontan’Ambodimanary, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Araka ny vaovao voaray, dia jiolahy dimy nirongo basim-borina no nanafika sy naka an-keriny omby niisa 16 tao am-bala. Raikitra ny sakoraka ka teny am-panarahan-dia no maty voatifitra nandritra izany ny tovolahy iray vao 19 taona. Taorian’izay anefa, dia nanamora ny fisamborana ny olon-dratsy ny nahafataran’ireo niaraham-boina ny iray tamin’ireo jiolahy tao anatin’ny fanarahan-dia. Marihina hatrany, fa raraka teo am-pelatanan’izy ireo ny omby 14 nangalariny.
Ratantely




