- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Fanafihana tobim-bolamena, maty voatifitry ny zandary i Velomaro

Maevatanana : Fanafihana tobim-bolamena, maty voatifitry ny zandary i Velomaro

Jiolahy  folo nitondra basim-borina sy kalaky sy zava-maranitra no tonga nanafika tao Antobim-bolamena, any amin’ny fokontany Tanimbaribe, kaominina Berivotra 5×5, ato  anatin’ny  disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’izany ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao am-piasam-bolamena ireto jiolahy ireto. Sady nanapoaka basy  no nitsioka kiriorioka nentina nandemena ny mponina tao an-toerana. Rehefa nahare ny poa-basy ny fokonolona dia samy nitsoaka, ka teo  no nahavoatifitra lehilahy roa. Vokany: olona iray maty tsy tra-drano ary ny iray naratra voatiftra teo amin’ny hatony. Ireo dahalo kosa tetsy an-daniny nandroba ny volamena sy ny entana rehetra, ka lasan’izy ireo nandritra izany ny vola sy ny vovoka volamena maromaro. Tsy niandry ela izy ireo, fa nitsoaka nandositra avy hatrany rehefa nahazo ny ilainy. Efa nanomboka taitra ny teo amin’ny manodidina raha nandre ny feom-basy sy nahitan’ireo olona roa nitsirara teo amin’ny tany. Tonga ihany koa ny Zandary raha vao nampandrenesina ary tsy niandry ela fa niroso tamin’ny fanenjehana ireo malaso. Efa lasa lavitra ny jiolahy vao nifankatratra, ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Naharitra ora maro ny fifandonana, ary lasa nitsoaka ireo dahalo rehefa hitan’izy ireo fa lavon’ny bala ny namany izay antsoina hoe Velomaro. Nezahin’ny fokonolona noentina namonjy hopitaly teto Maevatanàna  koa ilay olona naratra voatifitra, ary tsy vita teto ny fitsaboana fa nentina any Mahajanga. Marihina fa tsy nisy naratra na  namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana ireo  Zandary. Mbola mitohy ny fikarohana ireo dahalo hamin’izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici