Nosokafana tamin’ny fomba Ofisialy androany ny fokaonan-doham-paritra ho an’ny fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany aty amin’ny faritra Betsiboka. Tao amin’ny efitranom-pivorianan’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa mikasika ny fokaonan-doham-paritra ho an’ny fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany aty amin’ny faritra Betsiboka ny Alakamisy maraina faha 23 Aprily taona 2026 teo, tokony tamin’ny 08 ora tany ho any, izay natrehan’ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny sy ny olom-pirenena. Hotanterahana mandritra ny roa andro eo moa ity atrik’asa fakan-kevitra avy amin’ny olona tsirairay ity mba ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fanam-pankevitra raisina, mialohan’ny fandravonana izany.
Ratantely




