- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Fivakisana tohodrano, olona 60 no traboina

Maevatanàna : Fivakisana tohodrano, olona 60 no traboina

Nahatratra 60 ny isan’ireo traboina vokatry ny fivakisana tohodranon’i Kelimahery. 30 amin’izy ireo no efa nafindra toerana, satria dibo-drano tanteraka na nisy fahasimbana ny trano. Nisy valo kosa ireo trano simba. Tsara ny manazava fa tsy nisy sekoly na biraom-panjakana nahitana fahasimbana. Tsy mbola nahenoana feo kosa makasika ny toerana hametrahana ireo traboina. Raha hiverenana ny fivakisana tohodranon’i Kelimahery, dia vokatry ny orana nikija tamin’ny alakamisy alina lasa teo no antony. Zoma tokony ho tamin’ny telo ora maraina no namakivaky ny tanàna ny rano, ka voatery dibo-drano ny toerana iva. Tapaka nandritra izany ny fivezivezena sy fividianana sakafo tany an-toerana, satria feno rano hatramin’ny tsenam-ponkonolona. Noho izany dia manao antso avo ny mponina, indrindra fa ireo traboina, mba hijerena azy ireo amin’izao fahavoazana izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici