
Nisy ny lahadinika manokana niarahana tamin’ireo mpanangona volamena tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora, ny Alatsinainy fahadimy ny volana Febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora mahery 30 minitra, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibony tany toy ny: Anor, police de mines, BCMM, BAM sy ny eo anivon’ny polisim-pirenena izay miantsoroka ny fitandronana ny filaminana eto Maevatanàna. Nomena vahana manokana ny fampahafantarana amin’ny ankapobeany ny » Code minier » vaovao hifehezana sy fampidirana amin’ny sehatrin’ny ara-dalàna hoan’ireo mpikirakira volamena, ato amin’ny faritra Betsiboka, teo ihany koa ny fampirisihana nataon’ny zareo avy amin’ny Anor, mba tokony hanaraka, ny dingana tsy maintsy lalovana ny mpanangona volamena. Anisan’ny ambetin-dresaka noentin’Atoa Kaomisera Peggy, ny fanamafisana ny fiarovana ny ain’izy ireo, ary ireo avy any ivelany faritra, izay anisan’ny lasibatry ny asan-jiolahy tamin’iny fiandohan’ny taona 2024 teo iny. Nisy hatrany, tao anatin’ny dinidinika ambany tafin-trano ny ora nifanapahana, afahana manatanteraka ny fanagonam-bokatra amin’ny alalany volamena, izay ho mety fanararaotana ny ataony olon-dratsy. Noho izany dia misy ireo polisy mivezivezy mandritra ny ora fidirana sy firavan’ireo mpanangona volamena. Marihana fa nahatratra hatrany amin’ny 58 mahery ireo mpikirakira volamena tonga namaly niantso, ary maro ihany koa ny zavatra nifampiresahana nataon’ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibony tany sy ny ( Commissaire de police).
Ratantely