- Publicité -
mardi, novembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsMaevatanàna : Hanafatra " Machine de Forage d'eau " ny lehiben'ny faritra...

Maevatanàna : Hanafatra  » Machine de Forage d’eau  » ny lehiben’ny faritra Betsiboka

Noho ny olan’ny famatsian-drano tsy mety manam-pahavitana nandritra ny taona maro teto Maevatanàna an-tapon-tanàna, dia nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tao amin’ny birao fiasany ny lehiben’ny faritra Betsiboka, Andriamatoa Tombozara. Isan’ireo vahaolana maharitra noresahin’ity tomponandraikitra iray voalaza etsy aloha ity ny paikady amin’ny fanafarana milina moderina fanaovana lavan-drano na  » Machine de Forage d’eau  » mandavaka hatramin’ny 300 metatra no afaka mamatsy any amin’ireo toerana saro-drano ihany koa. Efa vita moa hatreto ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa amin’ny fahazoana izany. Hipetraka ho fananan’ny faritra kosa ny milina, sady azo hampiasaina any amin’ny distrikan’I Kandreho sy Tsaratanàna. Tombanana higadona eto Maevatanàna afaka 04 volana eo ho eo mandra-pahitana ny vahaolana lavitr’ezaka amin’ny fanatanterahana ny  » Barage électro-hydraulique  » ao amin’ny reniranon’i Betsiboka mba hafahana mamaha tanteraka ny olan’nyf amatsian-drano sy herinaratra..

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici