- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Jama iray naratra voatifitry ny dahalo

Maevatanana : Jama iray naratra voatifitry ny dahalo

Nandratra jamà indray ireo dahalo. Mbola hokarohina ireo mpanafika hatramin ‘ny anio. Nahazo vahana kosa ny fanafihana sy ny fandrobana tato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna tao anatin’ny  fiandoahan’ny taona 2018. Efa nisy ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpitandro ny filaminana mikasika ity tsy fandriam-pahalemana izay hitady hanjaka ity. Jamà iray indray mantsy no naratra voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tao amin’ny fokontany Amboabary, Kaominina Mangabe, disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’ny fifandonana teo amin’ny mpangalatra omby sy ny Jamà mpiambina tanàna, ny Asabotsy 13 Janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’ Atoa jochylin, rehefa nigadona tao Amboabary ireo malaso  folo lahy, dia nanao ramatahora ny mponina tamin’ny alalan’ny poa-basy sy fitsofana kiririoka. Nihorohoro tsy misy sahy nivoaka ny tranony ny fokonolona nanoloana izany, ka nandritra izay no nanararaotan’ireo olon-dratsy namoaka ny omby tany am-bala, soa ihany fa nalaky tonga ilay Jamà iray teo an-tanàna, ary nifanehitra teo ny roa tonta. Ka raikitra ny fifampitifirana, tamin’izany no nahavoatifitra an’io Jamà io, ka naratra mafy. Tafaporitsaka ireo dahalo sy ny basy nentiny, ary navelany teo ny omby, hoy ny fampitam-baovao. Azo avokoa ny omby rehetra, ary efa natolotra ny tompony.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici