- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 23, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lehiben'ny Zazafotsy naiditra am-ponja vonjimaika

Maevatanàna : Lehiben’ny Zazafotsy naiditra am-ponja vonjimaika

Noho ny raharaha misy makasika ny fifandonana teo amin’ny Zazafotsy sy ny mpitandro ny filaminana tany Manerinerina avaratra sy Anjiajia, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, tamin’iny herinandro lasa iny no nanapakevitra ny tompon’andraiki-panjakana aty amin’ny renivohi-paritra Betsiboka, ny handravana ny dinam-pokonolona sy hisamborana ny Lehiben’ny Zazafotsy. Nanao fivoriana tsy ara-potoana ny governora sy prefet-n’ny faritra Betsiboka amin’ny fisian’ny lehiben’ireo andian-tanora mpiltsaka antsitra-po miaro vahoaka sy miady amin’ny asan-dahalo aty an-toerana, ny hanamborana azy, sy handravana ny dinam-pokonolona. Voamarina tokoa fa miara-miasa tokoa ireo Zazafotsy sy ny dinam-pokon’olona amin’ny fanatanterahana ny asa atao, ka izay no antony nanadraisan’ireo olobe roa voalaza etsy aloha ny fanapahan-kevitra. Ny zoma hariva lasa teo ihany moa no niakatra fampanoavana Atoa Rekovoka, lehiben’ny Zazafotsy, ary taoriany fanadihadiana nataon’ny tonia mpampanoa lalàna  dia naiditra am-ponja vonjimaika . I Rekovoka dia monina any amin’ny fokontany Ambohibary, any amin’Ambalajia, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna, mampiofana ireo Zazafotsy marobe miparitaka etsy sy eroa, ka izay no antony nanenjehana azy. Miato ao anatin’ny roa volana ihany koa dinam-pokonolona mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny fifidianana, hoy ny dinika nifanaovan’ny governora sy prefet.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici