- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny vola sandoka

Maevatanàna : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny vola sandoka

Tsy kely làlana tokoa ny ratsy ankehitriny, indrindra fa amin’ity fanaovana vola sandoka ity. Lehilahy iray niaraka amin’ny vola sandoka roa alina ariary fito amby  roapolo isa indray mantsy no saron’ny Zandary teto an-tampon-tanànan’i Maevatanàna tamin’iny herinandro lasa teo iny. Voalaza fa saika harotsany amin’ireny kaonty amin’ny telefaonina ireny ireo vola sandoka ireo. Soa ihany fa mailo ilay olona ka nanamarina avy hatrany ireo vola ary teo ihany dia hita fa sandoka avokoa izany. Nampandre malaky ny Zandary ilay olona ka noraisim-potsiny teo ilay lehilahy. Raha ny fanazavan’ ny lietinà-kolonely Zanelisy Armand, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka, taminay hatrany dia mitovy avokoa ny laharana amin’ireo vola ireo ary somary matroka ny lokony mitaha amin’ny tena izy. Mety ho efa maromaro ny toerana nanaparitahana ireto vola sandoka ireto. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Zandary tamin’ilay lehilahy, dia efa natolotra ny fampanoavana tamin’ny herinandro teo izy, ary voatazona an-ponja vonjimaika miandry ny fotoana hitsarana azy. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ataon’ireo Zandary ny namany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici