Lehilahy iray tratra nangalatra omby no saika nodoran’ny fokonolona velona tao amin’ny fokontany Tetezankazo, Kaominina Antanimabary, disitrikan’i Maevatanàna, ny alahady 10 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany hariva. Efa nodarohan’ny olona izy tamin’io ary efa saika hodoran’izy ireo tamin’ny lasantsy mihitsy, saingy nalaky tonga ny Zandary avy ao amin’ny « Poste Avance» niaro ny ainy. Nosamborona izy ary efa nentina natao famotorana ao amin’ny biraon’ny borigady eto Maevatanàna. Araka ny fanazavana azo dia, omby efatra tao am-bala no nisy nangalatra tamin’io. Fantatra fa nisy nahita mihitsy ny nangalan-dralehilahy an’ilay omby, ka raikitra teo ny antso vonjy teo amin’ny manodidina. Tsy lasa lavitra anefa ilay jiolahy dia tratra niaraka tamin’ny omby nangalariny, ary nentina an-tanana avy hatrany ka sady niharan’ny daroka teo aloha. Nentina niakatra tao Antanimbary, nasaina nitety tanàna. Nandeha ny feo fa hoe hodorana velona ralehilahy. Efa misy moa ny nividy lasantsy malaky tamin’ireo olona. Nitangorona ny olona teny an-toerana teo anatrehan’izany. Rehefa nahafantatra ny zava-niseho ny Zandary dia nanao ny paika rehetra mba hiarovana ny ain-dralehilahy. Niezaka nadamina sy nandresy lahatra azy ireo ny mpitandro ny filaminana, ka nalain’izy ireo teny an-toerana ihany izy. Sady niala tsimoramora ny vahoaka no niteny hoe : « izay ary, fa matoky anareo izahay amin’ny fomba fiasa ». Nentina taksibrosy nihazo ny biraon’ny borigady aty Maevatanàna ralehilahy. Rehefa vita ny fanadihadiana sy ny famotorana nataon’ny Zandary azy, dia natolotra ny fampanoavana ny alarobia maraina teo izy, ary nivoaka ny didim-pitsarana, ka nomena fahafahana vonji maika ilay lehilahy. Teo no nahatonga ny vahoaka nitraotra, raha vao nahare izany, ka nilaza hoe: « nisy tsindry natao ary mety nisy vola nilatsaka matoa nivadika toy izao ny raharaha ». Nilaza mihitsy ireo vahoaka hoe : « efa tratra an-tanàna izao ve rangaha mbola navoakan’ny mpitsara ihany ». Manoloana izao dia manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ambony mahefa izy ireo, mba hijerena akaiky izao raharaha izao, fa very fanahy ny mponina any amin’ny Kaominina Antanimabary. Tsy hita intsony izay hianteherana. Malahelo amin’izao zava-niseho izao koa ny Zandary eto Maevatanàna, sady nilaza hoe manimba ny fitokisan’ny vahoaka azy izany.
Ratantely