- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Manjaka ny delestazy

Maevatanàna : Manjaka ny delestazy

Manjaka indray ny delestazy eny amin’iny kaominina Mahazomà iny. Maro be ireo mponina no mitaraina. Isan’ny toerana nanaovanay fanadihadiana manokana ny an-toerana nandritra ny fandalovanay tany. Velon-taraina mihitsy ireo mponina ao an-tampon-tanan’i Mahazomà fa mila ho isan’andro ny delestazy ary maharitra ihany koa izany. Tsy azo iainana ny delestazy ety aminay, hoy ny ankamaroan’ireo mponina izay tafaresaka taminay. Anisan’ny tena ahiatana hotely sy mpivarotra betsaka anefa eto Mahazomà, ka izany no tena mampitaraina, satria noho ny delestazy dia betsaka ireo entana samba. Maro kosa ny asa tsy vita, satria tsy maintsy mila herinaratra. Raha araka ny filazan-dRtoa Feurre, ben’ny tanàna any an-toerana, dia efa fito volana izao no niainan’izy ireo izany, saingy toa tsy misy vaha olana. “ Rehefa nanontany ny tompon’andraikitra izahay dia nilaza izy ireo fa misy fanamboarana atao, ka izany no nahatonga izao”. Marihina fa ny “kartie” rehetra ao Mahazomà tampon’ny tanàna no iharan’ity delestazy ity.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici