- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Miaramila sandoka, nitifitra miaramila nitsoaka an-daharana

Maevatanàna : Miaramila sandoka, nitifitra miaramila nitsoaka an-daharana

Ilay miaramila naratra.

Nisehoana tifitra tampoka tsy nifanampoizana teny amin’ny fokontan’Antanambao, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny Alahady faha 11 May taona 2025 lasa teo iny, tokony tamin’ny 11 ora alina tany ho any, izany hoe: teny amin’ny toeram-pisotroana iray. Nandritra ny fanangonam-baovao natao hatrany dia niaraka nisotro zava-pisotro tamin’ireo mpamily bajaj roa, tao amin’ny baran’i Laura, ilay miaramila nitsoaka an-daharana, tao amin’ny Bataillon d’infanterie/Antananarivo. Poritra te hivalan-drano anefa io miaramila ka las nivoaka. Teo no nisy tifitra tampoka niseho. Vokany: naratra voatifitra ranamany, sady nentina namonjy tombim-pahasalamana teny amin’ny CHRR Maevatanàna. Taorian’ny zava-nitranga dia samy niparitaka ny olona sendra nisotro teny an-toerana ary voamarina fa miaramila namany, efa nahavita fiofanana tao amin’ny Bataillon d’infanterie/Antsohihy no navanon-doza. Raha ny fanamarim-baovao nataonay dia basy poleta vita gasy iray no nitifirana an’ilay miaramila ka nandratra azy, ary manaraka fitsaboana sahaza ny tenany. Tsetsatse tsy haritra no ilazana fa io miaramila navanon-doza io dia mizahozaho sy milaza fa mbola tena miaramila am-perinasa foana na dia efa nahavita fiofanana roa taona aza, ka mikotaba sy manakorontana rehefa mahazoazo eny am-pisotroana toaka eny amin’ny Bar eny

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici