Sesilany indray ny vaky trano eny amin’ireo fokontany maromaro eto Maevatanàna an-tapon-tanàna. Tokantrano maro no lasibatra, hatramin’ny fiandohany volana Martsa makaty. Izany hoe nandritra ny dimy volana nisihan’ny fihoboana makasika ny fisoroana ny fianakin’ny aretina « Coronavirus » no hita fa nanjaka ny vaky trano tato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Ankoatra ny fitaovan-dakozia sy ny vorona isan-karazany dia alain’ireo mpangalatra ny fahitalavitra sy ireo fitaovan-tokantrano lafo vidy, toy ny solosaina ary ny moto. Tsy ré tsaika ireo mpangalatra raha ny voalazan’ireo niharam-boina fa ny trano efa voaroba sy ireo entana banga amin’ny maraina vao samby mikoropaka ny rehetra. Raha ny tao amin’ny fokontan’Ambatofotsy dia moto scooter ira » niaraka amin’ny kojakoja an-dakozia samy hafa kosa no nasesin’ireo olon-dratsy.Ny fokontany Ambatofotsy dia andrenesana tranga vaky trano sy hala-botry matetika. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ambony sy ny mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ny resaka vaky trano izay matetim-pitranga eto Maevatanàna ny mponina.
Ratantely