Ny alatasinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina no maty nisy nitifitra teo anelanelan’ Antafia sy Antsirasira, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, ity mpandraharaha iray antsoina ho Lova ity. Araka ny fanazavana azo tamin’ny fianakaviany, vadin-dratompokolahy, dia avy nivarotra tany Antafia no nikasa hamonjy fiodiana any Antanimbary izy tamin’io. Toa efa nisy nahafantatra moa ny fandalovany, ka nandrasan’ireo tamin’ny toerana mangina ary tonga dia notifirin’izy ireo avy hatrany ny kodiaran’ny fiara. Novonjena novonoina malaky ilay mpandraharaha avy teso. Efa maizina rahateo moa ny andro ka tsy tazana akory ireo olona nitifitra, izay niisa enina. Raha vao nahazo fampandrenesina tamin’ity tranga ity ny Zandary teto Maevatanàna dia niroso tamin’ny fikarohana sy fanenjehana ireo olon-dratsy. Nisy olona telo voasambotra tamin’ireto farany, tany Bemoroma-Maromainty, kaominina Maevatanàna faharoa, rehefa noahiahiana tamin’ny famonoana ity mpandraharaha ity. Raha ny vaovao voarainay hatrany mantsy dia toa hoe dian-tongotry ny mpitsena no nahazoana ireo olona ireo, satria ny tena dian’ireo malaso, dia nianatsimo fa tsy nisy dian’ny ho any Bemoroma mihitsy, hoy ny fanazavana voarainay tany an-toerana. Raha ny vaovao voaray hatrany dia vola » Versement rehetra » mitentina 12 tapitrisa Ariary niaraka tamin’ny rantsan-tanana iray niampy finday no lasan’ireo malaso nandritra ny sakana nataon’izy ireo. Efa mitombo am-polony moa ny isan’ireo olona voasambotry ny zandary, saingy mbola tsy voamarina hoe anisan’ny nandray anjara ve sa tsia. Mbola eo am-panaovana ny fanadiahadiana sy ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana hanaovana ny lahatsoratra izao. Araka izany dia mety ho olona akaiky azy ihany, izay mahafantatra tsara azy, no tomponantoka amin’izao, hoy ny zandary.
Ratantely