- Publicité -
vendredi, octobre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika i Nina Rahantanirina, depiote an'i Mahajanga teo aloha,...

Maevatanàna : Naiditra am-ponja vonjimaika i Nina Rahantanirina, depiote an’i Mahajanga teo aloha, sy ny zanany lahy

Rehefa nosamborina noho ny olana fitrandrahana tsy ara-dalàna tao amin’ny karieram-bolamena iray teny amoron-dranon’Ikopa, andrefan’ny fokontan’Ambodimanga, kaominina ambanivohitra Beanana, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka Ramatoa Nina Rahantanirina, depioten’i Mahajanga voalohany, sady filoha lefitry ny Antenimerampirenena teo aloha, sy ny zanany lahy, dia nataon’ny zandary miasa ao amin’ny GAPJ na « Groupe d’appui à la Police Judiciaire Maevatanàna » sy ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany avy Antananarivo famotorana, ka natolotra ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Maevatanàna. Ny  marainan’ny 01 oktobra taona 2026 teo no nandraisana ny fihainoana azy mianaka. Rehefa vita kosa ny fakana am-bava natao, dia naiditra am-ponja vonjimaika eto Maevatanàna hatrany, ireto farany miandry ny fotoam-pitsarana. Ny angom-baovao voaray no nahalalana fa fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna sy fampiasana milina efa nogiazina sy faniratsirana mpitandro ny filaminana tao anaty tabajon-tseraszara no isan’ny fiampangana azy ireo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici