- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanána : Namory ireo " Officier de Police Judiciaire "  ny lehiben'ny fampanoavana

Maevatanána : Namory ireo  » Officier de Police Judiciaire  »  ny lehiben’ny fampanoavana

Nametraka paikady ho famantarana sy fanenjehana ireo fandikan-dalàna miseho, eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny ato amin’ny faritra Betsiboka ny Fitsarana. Noho izany dia nanatanteraka fivoriana niarahana tamin’ireo » Officier de Police Judiciaire rehetra,  » tao amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Maevatanàna ny mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana voalaza etsy aloha, izay notarihin’ny lehiben’ny fampanoavana aty an-toerana ny alatsinainy faha-11 may taona 2026 teo, tokony ho tamin’ny 04 ora hariva tany ho any. Ny tena anton’izao fivoriana izao moa dia ny fijerena miaraka ireo olana atrehin’ireo mpitandro ny filaminana, eo amin’ny fanatanterahana ny asany andavan’andro sy ny fitadiavana vahaolana iombonana. Kendrena amin’izany ny hahafahana mampihatra fomba fiasa mahomby sy mirindra, indrindra ihany koa ny hanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny vokatry ny fanadihadiana sy ny asa ataon’izy ireo. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa azon’ny olona rehetra atao ny mitorika sy manatona ny Fitsarana, raha toa ka misy manitikitika hanontaniana mikasika ny raharaham-pitsarana, izay tsy anavahana sarababem-bahoaka. Nanamafy nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety hatrany ny lehiben’ny fampanoavana fa hohamafisina ny ady atao amin’ireo mpijirika, na ( Rabatteur.)

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici