
Taorin’ny fitsanganan’ny « Cercle de Réflexion pour le Développement de Maevatanàna na CRDM, « dia nanatanteraka dinika ho fampandrosoana ny kaominina 19 ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ireo mpikambana mandrafitra ny birao. Ny dinidinika ambany tafon-trano natao teto dia notontosaina ny alarobia faha-08 Aprily taona 2026 teo iny, tokony tamin’ny 03 ora tolakandro tany ho any, tao amin’ny efitrano fivoriana « Idealy Parc, « ao amin’ny fokontanin’Anosikely Atsimo, ato amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Ny angom-baovao voaray hatrany no nahalalana fa ny fivoriana niarahana natao nandritra ny andro voalaza etsy aloha dia nametrahana ny lalantsaina amin’ny antom-pisian’ny « Cercle de Réflexion pour le Développement de Maevatanàna. « Izany hoe : ireo manana tamberin’andraikitra sy andraikitra ato amin’ny disitrakan’i Maevatanàna no nampitovy tadin-dokanga sy ny fomba fijery mba hafahana mamaritra ny lalantsaina amin’ny fananganana ny fikambana, izay mametraka ny tanjona maromaro ho fampandrosoana ny disitrakan’i Maevatanàna. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa ny filohan’ny « CRDM, « Atoa Anjara Natolojanahary Gabriel no nitarika fivoriana teto. Tsara hatrany ny hahalalan’ny rehetra, fa efa nahazo taratasy fanamarihana fandraisana fanambarana fijoroan’ny fikambanana teo anivon’ny Prefektiora ihany koa ny Cercle de Réflexion pour le Développement de Maevatanàna.
Ratantely




