15 martsa 2026: Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa. Anisan’ny mankalaza izany isika eto Madagasikara, ka tsy diso anjara tamin’izany fankalazana izany ny teo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana Betsiboka. Nentina nanamarika izany, ho an’ny marainan’ny alahady faha-15 martsa lasa teo iny, tokony ho tamin’ny sivy ora, teny atsimo atsinananan’ny 15-Coco, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, ny fandorana ireo entana efa lany andro sy tsy azo ampiasaina intsony, izay hita sy tratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ireo ekipa, ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana eto Betsiboka. Ny fanatanterahana ny fandorana ny entana lany daty teto moa dia natrehin’ireo manampahefana isan-tsokajiny eto Maevatanàna tampon-tanàna sy ny solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny lohahevitra nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa tamin’ity taona ity ny hoe: Vokatra voamarina, mpanjifa mahatoky.
Ratantely




